Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko voalohany

1 Paoly voaantso ho Apostolin'i Jesoa-Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, sy Sostena rahalahy

2 mamangy ny Eglizin'Andriamanitra any Korinto, dia ireo mpino nohamasinina ao amin'i Jesoa-Kristy, olona voaantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika, na aiza na aiza misy azy: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy Jesoa-Kristy Tompo. 4 Isaorako an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan'Andriamanitra nomena anareo ao amin'i Jesoa-Kristy:

5 fa noho ny firaisanareo aminy, tonga manan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo, dia amin'ny teny rehetra sy amin'ny fahalalana rehetra; 6 ary noho ny niorenan'ny Evanjelin'ny Kristy eo aminareo, 7 dia tsy latsa-danja noho ny hafa hianareo amin'ny fahasoavana rehetra, any ka miandry amim-pitokisana ny fisehoan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 8 Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin'ny farany, mba tsy hanan-tsiny hianareo amin'ny andron'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 9 Eny, mahatoky Andriamanitra izay niantso anareo hiray amin'ny Zanany, dia Jesoa-Kristy Tompontsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0581